4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hay teo foana i kristy - Chorale FIDERANA

Taona sy taona nisesy nitadiavan-tsoa

Nihodikodina nefa tsy nety nitony ny fo

Ireo izay nitokiana nandao avokoa

Tany efitra sady nangiana no niainako



Hay teo foana i Kristy

Hay teo foana i Kristy

Nitady ahy izay nania

Hay teo foana i Kristy



Foana izao ny fotoana izay laniko

Andro mirana sy lohataona izao ny androko

Tojo izay nantenaina aho ka dia afa-po

Ilay fiainako teo karakaina niova ho soa



Hay teo foana i Kristy

Hay teo foana i Kristy

Nitady ahy izay nania

Hay teo foana i Kristy

Partager hay teo foana i kristy

Commenter hay teo foana i kristy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Chorale FIDERANA